Ady amin’ny fanararaotana ankizy : hanolotra fitaovana ny Amerikanina

Nanome fampitaovana ny sampandraharaha miady amin’ny heloka ana habaka eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny masoivoho amerikanina. Tanjona ny hiadiana amin’ny fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy amin’ny internet.
Hanampiana ireo mpanao famotorana hanao fanadihadiana lalina momba ny trangana famarinan’olona, indrindra mianjady amin’ny ankizy, ireo fitaovana. Solosaina sy fitaovana fitsirihana ahitana haingana ny mpanao ratsy no natolotra tamin’izany.
Ny UNODC izay miara-miasa akaiky amin’ireo mpampihatra lalàna no hanatanteraka ny tetikasa, izay mitentina 2 tapitrisa dolara, ary haharitra roa taona.
Miara-miasa akaiky amin’i Madagasikara i Etazonia amin’ny ady amin’ny famarinan’olona eto an-toerana sy manerana ny sisintany.
Nilaza ny masoivoho amerikanina, Pierangelo Claire, fa manana adidy ara-moraly ny rehetra hiady amin’ny heloka bevava indrindra ny mianjady amin’ny ankizy amin’ny internet sy ana habaka. Manome fitaovana sy fampiofanana tena ilaina ho an’ny governemanta sy ireo firaisamonim-pirenena i Etazonia hiadiana amin’ny famarinan’olona.

Tatiana A

Partager sur: