Famarinana olona: mila sahy mitoroka sy mandray andraikitra

Manaitra ny sain’ny rehetra ny Biraom-pirenena miady amin’ny famarinana olona (BNLTEH) fa tokony ho sahy mitoroka avy hatrany izay mahita tranga mampiahiahy miendrika fanararaotana na famarinana olona.
Anjara biriky ho fanavotana ireo lasibatra ny fahasahiana mitoroka. Afaka miantso ny laharana 034 32 111 22 raha mahita fihetsika heverina ho famarinana olona. Azo atao koa ny manatona avy hatrany ny mpitandro filaminana ka manao ny tatitra izay hitan’ny maso sy ren’ny sofina, milaza ireo olona mikononkonona ny hahavanon-doza, mamaritra mazava ny fotoana sy ny toerana itrangan’ny loza ary milaza ny antony mampiahiahy fa mety ho endrika famarinana olombelona no miseho.
Mijanona ho tsiambaratelo ny fitorohana atao ka tsy tokony hisy ampatahotra ny fijoroana amin’izany.
Endrika maro no hisehoan’ny tranga saingy anisan’ny tena malaza amin’izao ny tolotr’asa mety hiafara amin’ny famarinana olona. Ny fitaka atao amin’ireo tovovavikely ary miafara amin’ny fanerena azy hivarotena avy eo.
Ao ireo ampanantenaina asa tsara na fianarana kanefa avy eo terena hivarotena ary lasa mamelona ny mpanera sy mpanelanelana. Betsaka ny lasibatra saingy tsy sahy mitoroka noho ny tahotra na henatra. Mety iharan’ny fandrahonana mihitsy aza ny sasany ka tsy afa-manoatra intsony.
Tsy tokony hitazam-potsiny ireo mahita sy mahatsapa izany eny anivon’ny fiarahamonina fa tokony ho sahy mitoroka.

Tatiana A

Partager sur: