Manomboka ny asa fanajariana sy fanarenana ny lalana RNC6, mampitohy ny kaominina Mahabo amin’ny kaominina Tsivory. Mirefy 56 km io halavirana io, “radié” 24, tetezana 4 sy tetezana kely 2 no hatao amin’izany. Kaominina 9, ao anaty distrika 3, no handalovan’ity lalana ity ao amin’ny faritra Anôsy.
Any amin’ny 6 km atsimo atsinanan’i Betroka no misy ny kaominin’i Mahabo.Lalana mampifandray tanàna maro ary ahafahan’ny vokatra mivoaka rehefa vita ity hasiam-panamboarana ity.
Nilaza ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison François Sergio, fa raha te hampitombo vokatra isika dia tsy maintsy tohanana ny tantsaha ary tafiditra ao anatin’ny fanohanana azy ireo ny fanamboaran-dalana hahafahany mamoaka ny vokatra. Fanambin’ny faritra Anôsy, tarihin’ny governora, Rakotovelomanantsoa Voahary, ny hahafahan’ny mponina mivezivezy sy misitraka lalana tsara.
Sompitry ny faritra Anôsy i Betroka satria mamoaka vokatra hatrany amin’ny 30 000 taonina isan-taona. Anisan’izany ny mangahazo, tongolo, voanjo…Eo koa ny toerana fitrandrahana mica izay mitaky fotodrafitrasan’ny lalana ny famoahana izany. Tsy voatery hiodina any Soanala, Beraketa, Ampamata intsony ny vokatra raha vita io ampahan-dalana io. Ankoatra izay, manamora ny fidinana haingana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fanavotana vahoaka raha misy tranga tsy fandriampahalemana izay mbola manjaka any Betroka any, ny fahavitan’ny lalana RNC6.
Tatiana A




