INDRAY MIJERY

Mihamafy hatrany ny fahatapahan-jiro sy ny fahatapahan-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Andro aman’alina ny fiandrasana laharana sy izay andehanan’ny rano eny amin’ny paompim-pokonolona. Na ireo tanàna nisitraka rano naharitra hatrizay aza lasa mijaly rano ankehitriny.
Fotoana mampirongatra ny karazan’aretina, indrindra ho an’ny sokajin’olona marefo, ny fotoan’ny hafanana migaina raha ny nambaran’ny dokotera. Atao laharam-pahamehana ny fisotroana rano matetika, ny fihinanana voankazo sy legioma. Ahena ny fihinanana menaka sy lafarinina ary ny zavatra matavy.
Mandray anjara amin’ny «Village de la Francophonie» hotanterahina ao Paris i Madagasikara manomboka anio hatramin’ny 6 oktobra ho avy izao. Fihaonana an-tampony andiany faha-19 ho an’ny Vondron’ireo firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay, ahitana firenena 88 maneran-tany. Ireo mpianatra monina any an-toerana no hisolotena an’i Madagasikara ary hanao hetsika ara-kolontsaina sy fizahantany, entina manasongadina ny firenentsika.
Kanadianina mpampiasa maro no ho tonga
eto Madagasikara, amin’ny 16 hatramin’ny 25 novambra ho avy izao. Mikarakara ny hetsika ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana sy ny Cor­poration de développement économique de Victoriaville et sa région (CDEVR) ary ny HR. Pro izay mpiara-miasa amin’izy ireo. Raha misy liana amin’ny fandraisana mpiasa hankany Canada dia afaka miditra amin’ny rohy: job-ref-l08p3x9t2y@emploi.beetween.com.

Partager sur: