Mponin’Andravoahangy : hisitraka fahasalamana manakaiky vahoaka

Anjaran’ny mponina eny Andravoahangy indray no hisitraka ny hetsika ara-pahasalamana maimaimpoana, amin’ity herinandro ity. Ao amin’ny Centre socio sanitaire no hanatanterahana izany.
Efa mitsinjara amin’ireo efitrano maromaro ny sampandraharaha mandray ny marary sy ireo olona mila torohevitra.
Ankoatra ny fizaham-pahasalamana ankapobeny, izay hatao ao amin’ny varavarana faharoa dia misy koa ny fitiliana sy fitsaboana ny aretina VIH/Sida. Mandray ireo olona mila torohevitra mahakasika izany ihany koa izy ireo. Ao amin’ny varavarana fahatelo kosa no fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny nono ary ny fitarafana ho an’ny vehivavy mitondra vohoka.
Misokatra ho an’ny fandrindram-piterahana sy ny fitiliana diabeta, tiberkilaozy ary vaksiny ho an’ny zaza sy ny fisafoana ho an’ny reny bevohoka ny varavarana fahenina. Ho an’ny fizahana maso sy ny solomaso no ao amin’ny varavarana fahafito. Misy ny tolotra ara-tsakafo sy ny torohevitra ho an’ny sakafon’ny zaza mandritra ny hetsika.

Tatiana A

Partager sur: