Noharahabaina tetsy amin’ ny Campus Telma Andraharo, omaly, ireo ekipa nandray anjara sy tafakatra tamin’ny fifaninanana manasa-dalana “First Global Challenge 2024”. Fifaninanana “Robotika”, nampivondrona tanora manerana izao tontolo izao, natao tany Athènes. Notoloran’ny Telma fanomezana toy ny finday sy lelavola mitentina 1 000 000 Ariary izy ireo. Marihina fa nandrombaka ny medaly volamena tamin’io fifaninanana io ireo ekipa dimy mianadahy. Izay mirona amin’ny fankafizana ny Science, technology, engineering ary mathematics (STEM). Reharehan’ny firenena ireo tanora dimy mianadahy, izay mpianatra eny anivon’ny lycée eto amin’ny Nosy. “Hetsika iray ahafahana mampiseho fa manan-talenta eo amin’ny tontolon’ny niomerika ihany koa ny vehivavy ny fifaninanana tahaka izao”, hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny Telma, nandritra ny fihaonana tamin’ireo ekipa, omaly. Vehivavy avokoa ny ankamaroan’ny tao anatin’ny vondrona malagasy nandray anjara ireo.
Fampidirana spiruline ao anatin’ny sakafo malagasy
“Feeding the future” no lohahevitry ny fifaninanana. Nifantoka tamin’ny fivoarana ara-teknolojia sy teo amin’ny tontolon’ny robotika. Tetikasa novolavolain’ireo ekipa malagasy tany an-toerana ny fampidirana ny spiruline ho anatin’ny sakafo malagasy. “Tsy mitovy ny fiatrehan’ny firenena tsirairay avy ny fifaninanana satria nahitana olona 40 ny mpikambana sasany”, hoy Ramamonjisoa Maria, Copilote sady capitaine nandritra ny fifaninanana. Nambarany fa nisy firenena matanjaka teo amin’ny lafiny fitaovana sy ara-bola ihany koa tamin’ireo firenena 193 nandray anjara. Hisy ny fampiharana ny tetikasa eto an-toerana, izay iarahan’izy ireo miasa amin’ny tomponandraikitra samihafa.
Mino