Iray volana taorian’ny fifampiresahana tamin’ireo mpianatra mahakasika ny olan’ny rano sy ny jiro eny amin’ny Cité universitaire R+1 Ankatso II, nitondra vahaolana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla. Napetraka ny faran’ny herinandro teo, teny an-toerana, ny vato fototry ny lavadrano (forage) ho an’ny Cité universitaire R+1 izay honenan’ny vehivavy mpianatra. Ezaka ataon’ny minisitera ho fitadiavam-bahaolana manoloana ny tsy fahampian-drano sy hanamaivanana ny filana rano eny anivon’ny trano fonenan’ny mpianatra ny asa. Fiaraha-miasa amin’ny « Communauté Musulmane Sunnite de Madagascar » (CMSM) tarihin’ny filohany, Harona Moussa, no nahatontosa izany, izay anjara biriky amin’ny fanampiana ny mpianatra.
Ahazoana rano mihoatra ny 3m³ isan’ora, miampy fitahirizan-drano mahazaka 15m³, ny lavadrano. Vinavinaina haharitra telo volana ny asa fanamboarana, araka ny nambaran’ny lehiben’ny mpanatanteraka ny asa, Onihary Lecca Zimmer.
Nandritra ny filankevitry ny minisitra, nanome baiko ny filohan’ny Repoblika hanetsehana ny famatsian-drano eto Antananarivo hamahana ny tsy fahampiana mirefy 230 000 000 m³. Efa misy ny vahaolana vonjimaika notanterahina, toy ny fampitomboana ny fiarabe mizara rano hamatsiana ny barikabe eto an-dRenivohitra sy ny fametrahana lavadrano 35 hanakaiky vahoaka.
Vonjy