Nampahafantarina ny 3 oktobra teo ny fiara fitsaboana antsoina hoe «Smile Mobile», an’ny fikambanana ONG Opération Smile. Fomba iray ahafahana manatona akaiky kokoa ireo olona sima sy vaky lanilany, izay ankizy ny ankamaroany, hitsaboana mialoha na aorian’ny fandidiana ny molotra sy ny ativava. Maimaimpoana daholo ny fitsaboana. Tanteraka izany vokatry ny fanomezana avy any amin’ny malala-tanana marobe manohana ny fikambanana.
Azo ny marsa 2024 teo ity « Smile Mobile » ity. Maro ny tanàna efa noteteziny, toy ny lalam-pirenena faharoa (Antananarivo-Toamasina), ny 11-19 jona. Ny Antananarivo-Morondava indray no natao ny 26 aogositra-2 septambra, nanaovana fanentanana sy fanabeazana. Dingana manaraka ny Antananarivo-Mahajanga, amin’ity volana oktobra ity. Vinavinaina ho 80 hatramin’ny 100 ny ankizy ho karakaraina. Marihina fa nankalazaina omaly ny Andro maneran-tany ho an’ny fitsikiana.
Njaka A.