Anisan’ny hoe fototry ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-piasana izao ny maha olona na ny sosialim-bahoaka. Atao laharam-pahamehana izany, omena tombondahiny manokana, ampiroboroboana… Mby aiza? Na izay no tena imasoana sy lohalaharana amin’izay rehetra atao… Mba inona, hono, rey olona, no fiantraikan’izay atao amin’izao eo amin’ny fiainam-bahoaka? Na mivantana io, na ankolaka. Eo ny vahoaka mahita sy mahatsapa izay iainany andavanandro: efa misy fihatsarana ve, ohatra? Marolafy ny fahasahiranana, na maika avokoa ny zava-drehetra.
Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fisian’ny asa… Tsy hita hovisavisaina sy hotanisaina ny fahasahiranana. Hatramin’ny famatsian-jiro sy rano, takaitra navelan’ny rivodoza eo amin’ny seha-pamokarana. Efa misy fihatsarana ve amin’ity hoe tsy misy hadino? Na mba hananana fanantenana sy azo antoka ahay ny ampitso… Sao mby amin’ny hoe zaza tsy mitomany tsy mahazo nono, sanatria? Mba tsy hisy zanak’Ikalahafa… Na eo amin’ny faritra io, na eo amin’ny sehatra… Misy ny tena tany lavitra fanjakana? Noho ny tsy fisiana na faharatsian’ny lalana sy ny fifandraisana.
Anisan’ny mety mahatonga izany ve, ohatra, ny fisian’ny tatitra mazava sy mitohy? Na misy ny fidinana ifotony ataon’ny tomponandraikitra izao na izatsy vao mikoropaka… Tsy hita loatra amin’izany ny hoe: teny miakatra, ifampierana; teny midina, ifampifehezana. Izany no mahatonga ny fanjakazakana na fanamparam-pahefana amin’ny tany lavitra fanjakana sasany? Na ny fitarainana avy hatrany dia any am-bovonana… Ahoana no hisian’ny fifampitokisana sy fifanomezan-tanana isan-tsehatra sy isan’ambaratonga? Izay ilay fototra faharoa? Fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ady amin’ny kolikoly…
R. Nd.