Nahitana diabe ho amin’ny ady ateraky ny fahalotoan’ny rivotra nanodidina an’Anosy sy Mahamasina, omaly. Narahina fanentanana sy fampisehoana maro samihafa izany tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Nandraisan’ny tanora, fikambanana, mpiasa isan-tsokajiny teo eo anivon’ny governemanta sy ny maro hafa anjara ny hetsika. Fotoana nahafahana niara-nientana sy nandray andraikitra hisorohana ny fandotoana ny rivotra, indrindra ny fahalotoana ateraky ny fiara. Nahatsapa ny rehetra fa azo atao tsara ny miaina ao anaty rivotra madio eto Antananarivo. Mitondra voka-dratsy ho an’ny olombelona, indrindra eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana, ny tontolo iainana, ary ny lafiny ara-toekarena ny fahalotoan’ny rivotra. « Tena maloto ny rivotra eto an-dRenivohitra, indrindra rehefa volana oktobra sy novambra ary desambra tahaka izao », hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Max Fontaine, teny an-toerana. « Nohidina avokoa ny lalana ho an’ny fitaterana, afa-tsy ho an’ny fiara elektrika irery ihany nandritra izany. Nomena sehatra ihany koa ny fiara sy moto, ny trotinety elektrika ary ireo bisikileta mandeha skate rehetra », hoy hatrany izy.
Mino