INDRAY MIJERY

Ho fampiharana ny didim-panjakana momba ny karama farany ambany isaky ny sokajin’asa ho an’ny orinasa tsy miankina, nanao fidinana ifotony teny anivon’ny orinasa ny « Inspecteurs sy contrôleurs du travail », ny herinandro teo, teto amin’ny faritr’Analamanga. Misy mpampiasa tsy manaraka ilay karama farany ambany voalazan’ny didim-panjakana. Nojerena ihany koa ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa, toy ny fampidirana ny mpiasa eny amin’ny Cnaps sy ny Service médical interentreprises.
Nisitraka tablety miisa 15 ny kolejy Père Pedro Mahatsinjo, ny faran’ny herinandro teo. Madagasikara fanantenana teknolojia (MFT) sy ny Electronic Recycling Association (Era) no nanolotra izany. Mbola hitohy ny fiaraha-miasa amin’izy ireo amin’ny alalan’ny foibem-pitondrana misahana ny fampianarana malala-drafitra (DENF) ho fampandrosoana ny haitao ara-kajy mirindra sy ny fikirakirana ny niomerika.
Nandefa mpiasam-panjakana seychellois roa ny governemanta any an-toerana haka traikefa eto Madagasikara momba ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza, nandritra ny iray volana. Teo ny fampahafantarana ny asan’ny BNGRC, ny fanatrehana ilay fanazaran-tena (Simex) tany Toamasina, ny Drafitrasam-paritra fiatrehana ny loza tany amin’ny faritra Analanjirofo ary ny fitsidihana ireo mpiantsehatra hafa amin’ny fitantanana ny tandindon-doza. Nahazo “certificat” izy ireo taorian’izay.
Fahombiazana ny hetsika “fitiliana maimaimpoana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranonjaza”. Hetsika izay niarahan’ny Association Fitia tamin’ny fondation Akbaraly, ny herinandro lasa teo, teny amin’ny centre Cpci Mahamasina. 290 ny isan’ny vehivavy notiliana nandritra ny roa andro, izay nitombo avo roa heny mihoatra ny tamin’ny taon-dasa.

Partager sur: