Nomarihina teny Fieferamanga, distrikan’Arivonimamo, omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny toeram-ponenana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Ankohonana Miarina ny fifindra-monina hatao eny an-toerana.
“Manoloana ny fitomboan’ny mponina an-tanàn-dehibe dia mitombo koa ny filana trano fonenana”, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gerard.
Nosafidiana manokana i Fieferamanga noho izy hanome vahana ny fanorenana tanàna vaovao eny ambanivohitra.
Lohahevitra nasionaly ny hoe: “Fanarenana ara-toekarena sy ara-tsosialy ireo tokantrano marefo an-tanàn-dehibe, hampidirina anatin’ny tanàna vaovao ambanivohitra”.
“Mampiombona sy mampiray hina ireo minisitera mifarimbona amin’ny tetikasa Ankohonana Miarina ny hetsika”, hoy ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Tafiditra amin’ny fampiroboroboana ny maha olona sy ny tontolo ambanivohitra mivoatra, izay ho modely amin’ny tanàna vaovao ao Fieferamanga, ny fifindra-monina atao.
Misy fianakaviana avy amin’ny tanàna-dehibe marefo ka nanapa-kevitra ny hanova ny fiainany. Nandalo sivana sy fanadihadiana ny fandavantenan’izy ireo ary nofanina ny fianakaviana.
Teo koa ireo olona efa nanajary ny toerana ka nisitraka trano fonenana. Nampanarahina ny vatsy voalohany ivelomany ireo tokantrano mandra-piakatry ny vokatra voleny.
Fonenana misy trano 85, andiany voalohany, no ao Fieferamanga izay anatin’ny tetikasa Ankohonana Miarina.
Akora vaovao no ampiasaina, biriky vita amin’ny tanimena voavolavola hanoloana ny biriky tanimanga voadoro, hanajana ny totolo iainana.
Tanjona ny hanapariahan’ ny fanjakana amin’ny sehatra nasionaly ny fenitra famokarana izany biriky vaovao izany mba hiarovana ny tahirin-drano sy ny sosona ozôna.
Misy ny mpitandro filaminana miantoka ny fiarovana sy ny fandriampahalemana eny an-toerana.
Tatiana A