Tetikasa Tsimbina : tokantrano 1 123 nisitraka vola

Miditra amin’ny andiany faharoa ny fisitrahana ny vola ho an’ireo ankohonana marefo, anatin’ny tetikasa Tsimbina. Natao, omaly, tetsy Mahamasina, ny fizarana izany, izay natrehin’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Ireo nahafeno fepetra, nahavita nampiditra ny zanany an-tsekoly no nomena ny ampahany faharoa. Nanaraka ny toromarika fiofanana niaraka tamin’ny ekipan’ny Fid ireo tokantrano ireo.
Manodidina ny 1 123 ny tokantrano mahazo ny andiany faharoa. Fokontany 3 dia Anosibe Andrefana II, Anosizato Atsinanana I sy II, ao anatin’ny boriborintany IV no nahazo izany.
65% ny mponina no tena marefo eto Madagasikara. Mijery ifotony ny Fid ary manatanteraka ireo tetikasa tohana isan-karazany. Tokantrano 657 000, manerana ny Nosy, no tafiditra ao anatin’ny tetikasa Tsimbina andiany voalohany sy faharoa.
Ampahany amin’ireo tena marefo no hahazo ny vola 200 000 Ar na 250 000 Ar. Mbola maro ny tetikasa tohana ho an’ireo hafa toy ny Vatsinankohonana, Asa Avotra Mirindra eny ambanivohitra… mifameno avokoa ireny amin’ny fanatsarana ny maha olona.

Tatiana A

Partager sur: