Ankalazaina ny 10 oktobra ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ara-tsaina. Ho fanamarihana izany, mikarakara “Rendez-vous du remapsen santé mentale” ny fikambanana Remapsen Mada eny amin’ny OJM Ambohidahy, manomboka amin’ny 10 ora maraina, anio. Lohahevitra hifampizarana ny “Fahasalaman’ny saina miabo” hiarahana amin’ny Dr Razafimahefa Julien, filohan’ny Autisme Fédération Madagascar, sy Rakotondrazanany, Rakotondrazanany Stacy, spécialiste en santé mentale et soutien psycho-social.
Nandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fanabeazana aizana tany amin’ny faritra Bongolava, nahatratra 309 ny olona nisitraka fanafody fandrindram-piterahana, 108 no notiliana VIH/Sida ka roa no fantatra fa mitondra ny tsimokaretina, vehivavy iray ary lehilahy iray.
Mampahatsiahy ny talen-tsekoly, mpampianatra, mpanabe ary tomponandraikitra eo anivon’ny sekoly ny BNLTEH fa amin’ny maha tanora ireo mpianatra, marefo izy ireo manoloana ny famarinana olombelona. Aoka ho laharam-pahamehana ny fametrahana fifandraisana tsara sy hahazoana ny fitokisan’ireo mpianatra, ka hahafahany mizara sy maka torohevitra ho fiarovana azy amin’ny famarinana olombelona.
Misy sinoa manam-pahaizana manokana miasa ao amin’ny CHU Anosiala. Miova isaky ny 2 taona izy ireo ary ny andiany faha-23 izao no eto. Afaka misitraka tsindrona volamena, fandidiana ankapobeny, fitarafana sy fitiliana… ireo hitsabo tena eny. Miara-miasa sy mifampizara traikefa amin’ny Malagasy mpitsabo ihany koa izy ireo mba hanatsarana hatrany ny tolotra omena ny marary.