“Tsy ny famoahan’ny Ceni anio ny vanin’androm-pifidianana no mibaiko ny antoko politika tsirairay avy hiomana amin’ny fiatrehana ny fifidianana na sanatria sakana tsy ahazoany miomana amin’izany”, hoy ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny fitakian’ny antoko politika sasany ny hamoahan’ny Ceni ny datin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika.
Na hambara amin’ny taom-baovao izay datim-pifidianana izay, na hambara amin’ny volana febroary na volana avrily: efa mamaritra ny masontsivana na ny fepetra ny amin’izay vanim-potoana tokony hanatanterahana ny fifidianana. Adidin’ny Ceni ny famoahana, ny mametraka volavolana datim-pifidianana. Mazava ny voalazan’ny lalàna, na tsy hamoaka izao dia izao an’izay datim-pifidianana izay aza ny Ceni.
Tsy azo ihodivirana ny lalàna, raha ny amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Mamaritra ny lalàna fa iray volana alohan’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika am-perinasa ny fifidianana, raha tratra aoriana indrindra. Ary roa volana alohan’ny fahataperan’izany, raha aloha indrindra no anatontosana izay fifidianana izay.
Mandavantaona ny fanomanana ny fiatrehana ny fifidianana
Voalazan’ny lalàna koa fa 90 andro farafahakeliny alohan’ny hanatanterahana ny fifidianana no tsy maintsy amoahana ny datim-pifidianana. Raha ny roa volana alohan’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika, any amin’ny volana novambra izany no tokony hanaovana ny fifidianana. 90 andro mialoha an’izay, raha tratra aoriana indrindra, ny tokony hamoahana ny datim-pifidianana na ny didim-panjakana manaika ny mpifidy handatsa-bato. Famaritan’ny datim-pifidianana izany, ao anatin’izay ny firosoana amin’ny fotoana rehetra: ny fanombohana sy famaranana ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina, ny fanombohana sy ny famaranana ny fampielezan-kevitra…
Mandavantaona ny fanomanana ny fiatrehana ny fifidianana, raha antoko politika tena vonona haka fahefana sy hitondra fanjakana. Satria mandavantaona ny mety fisian’ny tranga miseho ahazoana miatrika fifidianana, araka ny nambarany.
R. Nd.