CHU Andohatapenaka: nahazo «Scanner» avy amin’ny Japoney

Natolotra sy notokanana, omaly, tetsy amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka ny fitaovana fitarafana « scanner ». Tetikasa avy amin’ny fitondrana Japoney no nahafahana nahazo izany.

Fitaovana avo lenta kokoa ahafahana mitily ny aretina sy ny taova isan-karazany tsy hita maso, ma­nomboka amin’ny loha hatrany amin’ny tongotra izy io. “Dingana lehibe ho amin’ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanolorana io fitaovana fitarafana io», hoy ny Profesora Randriamanan­tany Zely Arivelo, minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, teny an-toerana.

“Mitondra anjara biriky goavana amin’ny fitsaboana ny marary ny fisian’ity fitarafana vaovao ity satria tsy afaka mijery ny aretina tena mahazo ny olona any anaty any ny dokotera raha tsy misy ny scanner”, hoy kosa ny Dr Rasoamaro Miangaly, chef de service–n’ny Imagerie Médi­cale eny anivon’ny hopitaly manara-penitra Andohatape­na­ka. Efa nisy “scanner” teo anivon’ity hopitaly ity nanomboka tamin’ny taona 2014. “Nahitana fahasimbana kely izy io ary tsy afaka nampiasaina intsony”, hoy hatrany ny Dr Miangaly. “Anisan’ny laharam-pahamehana ihany koa ny fametrahana fitaovana fitiliana ny nono izay natolotra omaly”, hoy kosa ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, teny an-toerana. Tonga eto Madaga­si­kara ny fitaovana «Mammo­gra­phie» roa amin’izao fotoana izao, tsy maintsy apetraka amin’ny faritra manerana an’i Madagasikara izany, araka ny nambarany.
Zakan’ny rehetra ny saram-panaovana azy
Natao ho takatry ny vahoaka malagasy ny fanaovana ny fitiliana eny anivon’ny hopitalim-panjakana. 100 000 Ariary ny saran’ny fanaovana izany eny anivon’ny hopitalim-panjakana, raha toa ka 300 000 Ariary ho an’ny hopitaly tsy miankina. Azo jerena amin’ny alalan’ny “scanner” avokoa raha misy marary tsy mahatsiaro tena, na ahina ho tapaka lalandra. Fantatra sy hita ihany koa raha misy mandeha ra any anaty loha, raha sendra misy taolana tapaka, na misy maratra any anaty vatana any.

Mino

Partager sur: