Distrika fahatelo manana mpianatra betsaka ao anatin’ny faritra Boeny i Marovoay. Teo aloha, voatery nalefa mianatra any amin’ny sekoly ambaratonga voalohany amin’ny tanàna manodidina ny kilonga. Satria, tsy mahazaka ny isan’ny mpianatra ny fotodrafitrasa nisy. Amin’izao fotoana izao, nahazo efitrano finarana miaraka amin’ny toeram-pivoahana sy fidiovana ny CEG Lovasoa, Antanimora, Marovoay vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Unicef. Misy kianja fanaovana fanatanjahantena ihany koa. Hahazo tombontsoa mivantana ny mpianatra 409. Ankoatra ny fotodrafitrasa vaovao, notolorana zanakazo an-jatony koa ny sekoly hanatsarana ny manodidina sy hanabeazana ny mpianatra hikolo ny tontolo iainana misy azy. Iray amin’ireo sekoly 42 nisitraka ny tetikasa «Hazo iray, mpianatra iray» ny CEG Lovasoa, izay tetikasa iarahana amin’ny Unicef. Ankoatra ny fampitaovana hikoloana ny zanakazo, mahazo fiovanana koa ny mpitantana ny sekoly. Ankoatra ny tao amin’ny faritra Boeny, hahazo fotodrafitrasa enina mitovy amin’izao koa ny faritra Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Androy, Analanjirofo.
Vonjy




