Antenimierandoholona : Mbola mitaky tambin-karama ny mpiasa

“Manokatra varavarana ho amin’ny fifampiresahana ny filohan’ny Antenimieram­pirenena. Nandray anay izy ny antoandro teo, ary nampahatsiahivinay azy fa misy ireo minisitera sy andrimpanjakana nandray an’izany tambin-karama izany ankoatra ny karama volana desambra”, hoy ny filohan’ny sendikà Antoky ny sehatry ny asa eto amin’ny Antenimierandoho­lona (Asa), Razafimaharo Fa­mantanantsoa, teny Anosi­kely, afakomaly. Taorian’ny fandraisan-karama volana de­sambra, tsy mbola milamina ny amin’ny tambin-karama fandray isan-taona. Noho izany, nohamafisan’ny sendikà roa tonta ato anivon’ity andrimpanjakana ity fa takin-dry zareo ny hisitrahan’ny mpiasan’ny Antenimerando­ho­lona iray manontolo an’io tambin-karama fandrainy isan-taona io. Nomarihiny fa efa nahalala tsara hatrany am-boalohany ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola fa tsy ho tody any amin’ny faran’ny taona 2022 ny tetibolan’ny Antenimierando­holona, ary efa nanome toky ry zareo raha ny fifampiresahana fa afa-mamaly ny fangatahan’ny Antenimierandoho­lona ny minisiteran’ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola amin’ny alalan’ny tetibola fanampiny.
Ny mampalahelo fotsiny tsy mba namaly mivantana ny tao anivon’ny Antenimieran­doholona ny tenin’ny minisitra ny amin’ny hanaovana fandaminana anatiny ny amin’ izay tetibola izay. Inona àry no hanaovana fandaminana ao? Tsy misy ny vola, tsy mahatody hatramin’ny faran’ny taona. Rahampitso vao ho fantatra ny valin-teny momba izany, fa mbola hanao izay fomba rehetra hivoahan’izay zon’ny mpiasa izay ny eo anivon’ny Antenimierandoho­lona.

R. Nd.

Partager sur: