Niorina ny volana desambra 1972. Nitsingerina, omaly, ny faha-50 taonan’ny antoko MFM. Nanao antso fanairana amin’izao tsingerin-taona izao ny mpikambana, Raveloson Constant. Nambarany fa tsy entinkentim-poana ny anarana MFM. “Averintsika amin’ny hasina nametrahan’ny vahoaka azy teto amin’ny tany sy ny firenena ny antokontsika, manomboka izao”‘, hoy izy. Nanteriny fa tena mahazaka ny anarany ny MFM. Anisan’ny mpanamasaka hevi-baovao ary mpampianatra ny fanovana, mipaka hatrany amin’ny ain-dehiben’ny vahoaka, araka ny nambarany.
Notsindriny fa mpamaky lay izany MFM izany sady mitarika mpanondro miharihary ny tanjona. “Mpiara-mijoro sy miombona antoka manorina dingana isan-tsehatra hatrany anivon’ny fokontany”, hoy ihany izy.
Fanorenana ifotony ny firenena
“Nohitsiny fa tsy MFM ireo manao salobok’omana ka lasa ny alika vao manangom-bato”, araka ny nambarany hatrany.
Anisan’ny novoizin’ny Mafana tamin’ny faha-49 taona ny “Fanorenana ifotony ny firenena, mampiombona ny vahoaka. Fanorenana indray ny MFM ho fanilo vaovao. Ndao fa vonona izahay”.
Tsiahivina fa tsy hita sy tsy heno intsony ity antoko naorin-dRakotonirina Manandafy ity, tato aho ato. Eo
koa ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ireo akanga sisa nanamborana na niezaka nampitambatra ny heriny aza izy ireo.
Synèse R.