Sambava: Zokiolona 1 500 nizarana fehezan-karona

Natao tany Sambava, faritra Sava, ny fanamarihana ny An­dro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona. Nitarika izany ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Auré­lie, tamin’ity herinandro ity. «Zokiolona malagasy mandroso hasina, manatsara ny hoavin’ny taranaka» no nezahina novoizina nandritra ny hetsika. Ankoatra ny fifampizarana trai­kefa sy fanentanana samihafa, nisy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’olona 900 mahery tany an-toerana.
Nisy koa ny nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ireo 1 700 mpisitraka. Ankoatra izay, ny tantsoroka miendrika fehezan-karona misy vary, menaka, savony, bodofotsy ho an’ireo zokiolona miisa 1 500.
“Mbola manana ny toerany ny zokiolona eo amin’ny fiarahamonina malagasy. Izy ireo no raiamandreny to teny sy va­laben’ny fahendrena ka men­drika omen-kaja sy apetraka amin’ny toerana mendrika azy”, hoy ny mpandahateny.
Mahatsiaro izany isan-taona ny fanjakana, ao anatin’ ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho azy ireo. Misy koa ny ezaka amin’ny fanomezan-kasina ny zokiolona eny anivon’ny fiarahamonina.

Tatiana A

Partager sur: