MFFT sy ny masoivohon’i Frantsa: hatsaraina ny tolotra ho an’ny vahoaka eny ifotony

Miezaka ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana eny ifotony (INDDL), manohana ny kaominina. Notontosaina nandritra ny telo andro, tany Antsirabe, ny fanofanana ho amin’ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra eny anivon’ ny kaominina. Niompana tamin’ny fitantanana ny sora-piankohonana. Miisa 84 ireo mpandray anjara ka anisan’ izany ireo mpitantsoratry ny sora-piankohonana. Iarahana amin’ny eo anivon’ny Fran­ko­fonia (OIF) sy ny masoivohon’i Frantsa izany. Anisan’ny ezaka iarahan’izy ireo ny fanatsarana ny tolotra ho an’ny vahoaka eny ifotony. “Hatao izany hanomezana fahafaham-po ny vahoaka”, hoy ny tale jeneralin’ny INDDL, Ramanana Alain.
Nohamafisiny fa anisan’ny fanambin’ny MFFT ny fijerena sy ny fanaovana vaindohan-draharaha ny maha olona, araka ny vinan’ny filohan’ny Repoblika. Eo koa ny fanohanana ireo vondrom-paritra itsinjaram-pahefana amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tomponandraikitra sy ny mpitantsoratry ny sora-piankohonana.

Efa nahavita fiofanana tamin’ny fiandohan’ny volana oktobra ny tany amin’ny distrikan’i Boriziny sy Antsohihy, faritra Sofia. Miisa 50 ireo tomponandraikitra sy mpitantsoratry ny sora-piankohonana niofana tamin’izany. Efa nahavita ny azy koa ny tany amin’ny distrikan’i Miarinarivo sy Soavinandriana, any Itasy. Nisitraka izany ny mpandray anjara miisa 30.

Synèse R.

Partager sur: