Antanimora : mianatra teny vahiny ny voafonja

Manohana ny tanora mifonja eny Antanimora ny tetikasa «Tohanako». Tarigetra ho azy ireo ny hamolavola ara-tsaina sy ara-tsakafo, ary hisehatra amin’ny fanabeazana ho an’ireo voafonja. Nanolotra fanampiana ara-tsakafo sy masomboly izay ilaina, indrindra ho an’ny toeram-pamonjana ny tetikasa.
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, ny herinandro teo, ny fampianarana teny vahiny ao amin’ny fonjan’Antanimora, raha efa nisy nialoha izany ny fampianarana mamaky teny sy manoratra nentin’ny tetikasa.
Fampianarana teny anglisy sy ny teny sinoa (mandarin) no omena azy ireo noho ireo teny ireo mbola malalaka eo amin’ ny sehatry ny asa, ankehitriny.
Nanome dabilio sy fitaovam-pianarana koa ny tetikasa, izay fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Tanjona ny hamerenana indray ireo voafonja eny anivon’ny fiarahamonina aorian’ny fanarenana sy mba hananan’izy ireo asa fivelomana madio.
Tokony hisy amin’ny toeram-pamonjana rehetra ny fanarenana sy ny fampianarana mba hahafahan’ireo tanora mioitra amin’ny fiainana aorian’ny sazy sy hahatonga azy ireo ho olom-banona tsy hamerin-keloka intsony.

Tatiana A

Partager sur: