Manohy ny fitetezana ny tapany avaratry ny Nosy ny minisitry ny Mponina sy ny firaisakina, Razafinjato Aurélie. Nizara ny tantsoroka Tsimbina, andiany faharoa, ho an’ny tokantrano miisa 5 163 any an-toerana ny tenany. Tao amin’ny distrikan’Antalaha, ny 2 254 tamin’ireo ary tao amin’ ny distrikan’i Sambava kosa ny tokantrano 1 909.
Efa nandalo sivana ireo tokantrano misitraka ny tetikasa Tsimbina ary ireo tena sahirana no voafantina hahazo izany.
Entina miatrika ny fiakaran’ ny vidim-piainana sy hoentin’ izy ireo mampiditra ny zanany an-tsekoly ny tohana.
Tetsy andaniny, nihaona tamin’ireo fikambanana isan-tsokajy sy ireo mpiara-miasa eo amin’ny fitaleavam-paritry ny mponina ao Sambava ny minisitra.
Tao ireo fikambanam-behivavy, fikambanan’ny zokiolona, fikambanan’ny olona manana fahasembanana…
Nisongadina nandritra ny dinika ny fifampizarana ho fampandraisana andraikitra ny tsirairay. Nanome ny toromarika rehetra Ramatoa minisitra mba hifanampy sy hifanohana ny fikambanana, ho fampivoarana ny vehivavy sy ireo olona manana fahasembanana mbola afaka miasa ka hanome lanja ireo vokatra amin’ny fitadiavana lalam-barotra hamoahana ny vokatra.
Nanamafy ihany koa izy ny amin’ny fandraisana andraikitra avy amin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Fitaleavam-paritra izay miahy ireo mponina marefo any an-toerana.
Tatiana A