Notanterahina ny 24 desambra lasa teo ny fanamarihana ny fankalazana ny fetin’ny Noely ho an’ny tao amin’ny kaominina Mahereza. Nikarakara hetsika toy ny fanao isan-taona “Zara hafaliana” ny mpitantana ka miisa 200 mahery ireo zokiolona nozaraina fanampiana ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) ho fanampiana azy ireo amin’ny fety. Nisitraka vatomamy kosa ireo kilonga sy ireo rehetra nanatrika izany. Nankasitraka izao fanampiana izao ireo nahazo izany.. “Misaotra ny ben’ny tanàna, Rabenanandrasan Mamy tsy manadino anay isan-taona. Tena mahavita be izy amin’ny sosialim-bahoaka”, hoy izy ireo. Nanambara kosa ny ben’ny Tanàna fa tanjon’izao hetsika sosialy isan-taona izao ny hitsinjovana ireo marefo.
Etsy andaniny, notolorana fanomezana fampirisihana amin’ny fianarana koa ireo mpanala CEPE, miisa 20, voalohany mahay indrindra. Nentanin’ny mpitantana ny tanàna hilofo amin’ny fianarana hatrany izy ireo. “Tanjona ny hankasitraka ireo mpianatra mahay indrindra tamin’ny ezaka vitany ary ny hamporisika azy ireo sy ireo namany amin’ny filofosana amin’ny fianarana. Hitohy hatrany ny hetsika tahaka izao raha efa miditra amin’ny andiany faharoa izany izao” hoy izy.
Fitohizan’ny fiaraha-miasa
Nampanantena koa ny tenany fa hahazo ny anjarany ihany koa ireo mpiadina BEPC sy bakalorea sangany amin’ity taona ity.
Naneho fisaorana ny AT investing company, ny TAF Madagascar, ny Association Take my hand project Madagascar USA, ny Association Madagasikara Mandroso Miaraka ary ny loholona Rakotondrainibe Ndriana ny tenany.
Efa nomanina amam-bolana izao hetsika izao ary nahitam-pahombiazana noho ny fahavitrihan’ny mpanohana. Miandrandra ny hitohizan’ny fiaraha-miasa ny ben’ny tanàna.
Synèse R.