Mpitsabo veterinera miisa 47, nahazo fampivoarana ny fahaiza-manao amin’ny fanaraha-maso ny aretin’ny biby, tao Mahajanga. Fiofanana izay notanterahina tamin’ ny 19 hatramin’ny 21 desambra lasa teo. Tsiahivina fa avy amin’ny faritra Diana, Sava, Sofia ary Betsiboka izy ireo.
Hetsika izay tafiditra amin’ny tetikasan’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina “Sega One health”, mba hahafahan’ny veterinera manatanteraka ny iraka ataony. Niompana tamin’ny lohahevitra maro ny fiofanana. Isan’izany ny fanaraha-maso eny amin’ny toeram-pamonoana biby, ny valanaretina sy ny fanadihadiana ny aretin’ny biby. Eo koa ireo aretina mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny mpanjifa, ny fifehezana tsara ny fikirakirana ny rindranasa fanangonana angon-drakitra. Ary ny famantarana ny aretina, izay atao laharam-pahamehana isaky ny faritra, satria mila paikady fanaraha-maso.
Marihina fa tohanan’ny Frantsay amin’ny alalan’ny AFD sy ny Vondrona eoropeanina (UE) ny hetsika.
Fitia (Mpianatra Asa)