Natao tao Ambositra an-tampon-tanàna ny fanombohana ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiarovana ny ankizy latsaky ny 5 taona amin’ny aretina kitrotro sy poliomelita. Hanatrarana ihany koa ny vaksiny rehetra ho an’ireo ankizy tsy mbola nahazo fatram-baksiny mihitsy hatramin’izay.
“Distrika iray amin’ireo telo nahitana fiparitahan’ny valanaretina kitrotro, tamin’ity taona
ity, ny teto Ambositra. Enina hatramin’ny herinandro teo ny tranga voatily sy voamarina”, hoy ny solontenan’ny OMS eto amintsika, Dr Laurent Musango, nitondra tenin’ny mpanohana teknika sy ara-bola ny fahasalamana (Unicef, OMS ary Gavi). Izay no antony nisafidianana ny distrika hisantarana ny hetsika, izay hatao amin’ny faritra 23 mandritra
ny hadimiana (hifarana ny 19 oktobra ho avy izao). Ho an’ny kitrotro, nahatratra 61 ny tranga niseho tamin’ny distrika 38 ary hetsika fanaovam-baksiny andiany faharoa izao atao izao. Nanomboka ny volana janoary, miisa 300 000 ny ankizy vita vaksiny amin’ireo 1 tapitrisa tsy mbola nisitraka izany mihitsy ary mitohy ny ezaka. 4 tapitrisa mahery ny zaza 9-59 volana ho tratrarina hatao vaksiny miaro amin’ny kitrotro ka tokony ho tratra ny 95% amin’izany. Ho an’ny vaksiny fiarovana amin’ny aretina poliomelita kosa, ankizy 5 tapitrisa sy sasany no hisitraka izany ka tokony ho tratra ny 95% hampahomby ny fiarovana. Vokatry ny fanaovam-baksiny faobe fiarovana ny aretina poliomelita natao, tsy nisy tranga vaovao intsony nanomboka ny volana septambra 2023 lasa teo no ho mankaty.
“42 tapitrisa ny fatram-baksiny efa tonga eto Madagasikara hiarovana ny zaza malagasy tamin’ity taona ity”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely Arivelo. Ny vaksiny no fomba fiarovana amin’ny aretina, mitondra vokatra azo tsapain-tanana amin’ ny fahasalaman’ny ankizy amin’ireo aretina azo sorohina amin’ny alalan’ny vaksiny.
Vonjy