Manohy ny asa fanadiovana ny lakandrano ny tetikasa Produir. Manala ny tsikafona manafotra ny lakandrano ao amin’ ny Bassin tampon eny Anosizato ny ekipa amin’izao fotoana.
Tsikafona 4 000 m3 no hoesorina eny an-toerana. Mandalo an-tanan-tohatra ny fitaterana izany tsikafona izany eny amin’ny tobim-pako Andralanitra mba tsy hanelingelina ny fifamoivoizana sy ny tontolo iainana.
Andrasana hitsika ny tsikafona vao taterin’ny kamiaobe hariana eny Andralanitra. Tandremana tsara mandritra ny fitaterana mba tsy hisy rano na fako ho very ho fanajana ny fahadiovan’ny lalana sy tsy hisian’ny fofona. Rehefa afaka tanteraka ny tsikafona dia hiroso amin’ny fanesorana ny fotaka ao amin’ny Bassin tampon ny tetikasa.
Misy ampahan’ny asa tanterahin’ny fitaovana vaventy izay mahavita asa betsaka anatin’ny andro iray. Ao koa anefa ireo olona avy eny amin’ny manodidina manatanteraka ny asa tsy maintsy ilana tanana.
Fitsinjovana sahady ny fiavian’ny fahavaratra mba hahafahan’ny rano mikoriana sy hampihena ny tondra-drano amin’ny faritra iva izao tanterahina izao.
Tatiana A