Natomboka omaly, etsy amin’ny Carlton Anosy, ny famolavolana sy fandrafetana ny drafitra vaovao nasionaly II (PNA II) mahakasika ny ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ho an’i Madagasikara. Miara-mifanome tanana amin’izany ny governemanta iray manontolo, amin’ny alalan’ny minisitera samihafa sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika ary ny sehatra tsy miankina. Tetikasa iaraha-miasa amin’ny Organisation internationale du Travail (OIT). « Manodidina ny 2 tapitrisa eo ny ankizy miditra sahady amin’ny sehatry ny asa eto amin’ny firenena hatramin’ izao fotoana izao », hoy ny minisitry ny Asa, fampananan’ asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana.
Maro ny ezaka efa vita na eny anivon’ny faritra na eny anivon’ny seha-pihariana isan-tsokajiny, tsy maintsy mbola tohizana hatrany anefa izany, raha ny fanazavany hatrany. Tanjona ny hampihenana sy hamongorana, arak’izay azo atao, ny fampiasana zaza tsy ampy taona eto amin’ny Nosy.
Haharitra 10 taona
Hanomboka ny taona 2025 hatramin’ny taona 2035 ny hanantanterahina io drafitra nasionaly io. Manana anjara goavana amin’izany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Anisan’ny vahaolana amin’ny fampiasana ny zaza sy ady amin’ny fahantrana ihany koa ny famerenana azy ireo an-tsekoly. Tanjona ny hahafahany mivelatra bebe kokoa eo amin’ny fiarahamonina. Anisan’ny teboka asongadina amin’io drafitra io ny fandrindrana, ny fananterahana ny asa, ny fanaraha-maso ary ny fiarovana amin’ny asa.
Mino