« Opération Coup d’arrêt » : dahalo dimy maty voatifitry ny mpitandro filaminana

Mitohy ny hetsika “Opération Coup d’arrêt”, fampandriana fahalemana ataon’ny
mpitandro filaminana any amin’ny faritra Atsimo. Dahalo dimy no maty voatifitra, ankoatra ireo omby arivo tratra…

Minisitra efatra avy amin’ny governemanta notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy, ahitana ny MSP, MDG, minisitry ny Ati­tany, no nigadona any Atsi­mon’ny Nosy, omaly, mitady ny paikady hanamafisana ha­trany ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Namory ireo tomponandraiki-panja­kana izy ireo sady nanome toromarika ireo olom-boafidy avy ao amin’ny faritra Androy. Nisy ny fihaonan’izy ireo tamin’ny vahoaka tao Imanombo sy ny manodidina. Teo koa ny fanolorana ireo vokatra azo tamin’ny hetsika « Opération Coup d’arrêt » nataon’ny mpitandro filaminana any Androy. Anisan’ireo vokatra azo nandritra ny hetsika ny omby arivo, dimy ireo dahalo maty voatifitra raha valo kosa ireo voasambotra. Basy telo no tratra nandritra ny fifandonana tamin’ireo dahalo. Haverina amin’ny tompony ireo omby ireo ka natsangana ny kaomisionina iraisana handrindra ny famerenana izany. Taorian’ izay, nihazo an’i Miary Lomby, distrikan’i Betroka, toerana ahitana alan-drongony ireto delegasiona ireto. « Mitohy ny ezaka atao amin’ny famongorana ny asan-dahalo sy ny ady amin’ny fanapotehana zava-mahadomelina », hoy ny MFA.

Jean Claude

Partager sur: