Eto Madagasikara : manodidina ny 2 tapitrisa ny ankizy manao asa manandevo

Mbola maro ny olona mampiasa ankizy eto Madagasikara. Mora kokoa ny karama. Ny ray aman-dreny mihitsy no maniraka ny zanany hiasa noho ny fahasahiranana. Asa mafy sy miendrika fanandevozana anefa matetika no ataon’izy ireny.

Nandritra ny fihaonan’ ireo mpiara-miombon’ antoka tetsy Anosy, ny alatsinainy teo, no nandinihina ny Drafitrasam-pirenena iadiana amin’ny fampiasana ankizy ho an’ny taona 2024-2035.
Io no nahafantarana fa manodidina ny 2 tapitrisa ireo ankizy latsaky ny 15 taona manao asa mafy miendrika fanandevozana manerana ny Nosy.
Ankizy kely dia miasa an-trano manao asa mafy tsy mifanaraka amin’ny taonany akory. Kely dia mifezaka any amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Ankizikely mian-dahy miam-bavy miasa mafy any amin’ny resaka fambolena sy fiompiana anaty ora efa tokony hatoriana na vao mangiran-dratsy. Ireo manao sorona ny ainy any amin’ny asa mampidi-doza maro isan-karazany….
Fahasahiranana lalina iainan’ny ankohonana no mahatonga izany fampiasana ankizy izany. Voatery mitady vola hanampiana ny fivelomana ao an-trano.
Ny minisiteran’ny Asa , ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana dia hanamafy ny fitsirihana hataon’ireo mpanara-maso ny asa mahakasika ny asa ataon’ny ankizy na amin’ny sehatra inona na amin’ ny endriny manao ahoana.
Samy resy lahatra ny mpiara-miombon’antoka rehetra fa hohamafisina ny famongorana ny asa manandevo mpahazo ny ankizy voarakitra ao amin’ilay Drafi-pirenena momba ny paikady hiadiana amin’ny fampiasana ankizy.

Araka ny lalàna manan-kery dia 15 taona ny ankizy no afaka miditra eo amin’ny sehatry ny asa. “Saingy asa tsy manandevo azy, no sady asa maivamaivana tsy hanimba ny toe-batany no voafaritra tokony hataony”, hoy ny minisitra Razakaboana Hanitra Fitia­vana. Na eo aza izany, mitaky fahazoan-dalana avy amin’ny ray aman-dreny sy avy amin’ ny “Inspection du Travail” ny fidiran’ny ankizy amin’ny sehatry ny asa.

Tatiana A

Partager sur: