Kaominina Imerina Imady: tsy nahitana ankizy tsy vita vaksiny

Iray amin’ireo toeram-pitsaboana, CSB, 128 anatin’ny faritra Amoron’i Mania ny CSB II ao amin’ny kaominina Ime­ri­na Imady, 12 km miala ny renivohitry ny distrikan’Ambo­sitra. 888 ny isan’ny zaza latsaky ny 5 taona karakarain’ny mpia­san’ny CSB efatra, amin’ny mponina 5 430. “Mazoto mampanao vaksiny ny zanany ny isan-tokantrano ka tsy sahirana ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fanentanana mandritra ny hetsika fanaovam-baksiny faobe hiarovana ny ankizy amin’ny aretina kitrotro sy poliomelita tanterahina mandritra ity herinandro ity, manerana ny Nosy”, hoy ny lehiben’ny mpitsabo ao amin’io CSB II io, Dr Ralaivelo Emmerentienne, omaly. Akai­ky rahateo ny fokontany 10 mandrafitra ny kaominina ka tsy mananosarotra ny fanatonana tobim-pahasalamana. Matetika ny raim-pianakaviana no misy tsy marisika loatra amin’ny fampanaovana vaksiny ny zanany ka eo no miditra ny mpanentana eny ifotony mandresy lahatra. Tsy nahitana trangana ankizy tsy vita vaksiny ao anatin’ity kaominina ity. Manana vata fitehirizana vaksiny mandeha amin’ny herin’ny ma­soan­dro, avy amin’ ny mpiray ombon’antoka Unicef, ny CSB II ka tsy tapaka ny tahiry. “90% ny tahan’ny fanaovam-baksiny ho an’ny distrikan’Ambo­sitra manokana fa tsy mbola tratra ny tanjona 95%. Anisan’ny manampy hanatrarana izany ny hetsika fanaovam-baksiny faobe toy izao”, hoy ny mpitsabo mpanara-maso ny fahasalamana ao anatin’ny distrika, Dr Razafindratsimabozaka Nestor. Manakaiky izay 90% izay avokoa ny taha ho an’ny distrika efatra ao anatin’ny faritra Amoron’i Mania.

Vonjy

Partager sur: