INDRAY MIJERY

Nitsidika ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla, ny vaomiera sosialy ao amin’ny Antenimierandoholona. Votoatin’ny fihaonana ny fanirian’ireto mpitsidika hananganana Oniversite mahaleotena sy manakaiky vahoaka ao amin’ny distrikan’i Farafangana.

Nampahafantatra ny Foibe mpamantatra ny toetry ny andro, etsy Ampandrianomby, fa ny 15 hatra­min’ny 21 oktobra 2024 dia misy tangoron-drahona harahi-maso any atsinanan’ny morontsiraka avaratra atsinanan’i Madagasikara. Ambany anefa ny herijika mety hivadihany ho rivodoza ato anatin’ny 5 andro ho avy.

Tombanana hisy orana tandrifin-drahona amin’ ny afovoantany, amin’ny faran’ny herinandro, noho ny fandalovana rindrin-drahona misesy ao atsimon’ny Nosy, izay handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny. Hisy fidinana misongadina ny maripana ambony ho an’ny tapany Atsimo sy ny atintany atsinanana ary ny moron­tsiraka atsinanana amin’ny fisasahan’ny herinandro.

Maimaimpoana ny fitiliana ny diabeta amin’ny alalan’ny fivalanan-drano ao amin’ny Amadia Faravohitra mandritra ny 1 volana (11 oktobra-11 novambra). Hahafantarana ny toe-tena sy hanamorana ny fandraisana an-tanana raha sanatria diabetika ny fanaovana fitiliana. Natao ho an’ny rehetra izany, na ankizy na olon-dehibe.

Partager sur: