Fampianarana teknika: mila fanavaozana ny fotodrafitrasa sy ny tolotra fampiofanana

Efa antitra ny fotodrafitrasan’ny sekoly fampianarana sy ny fanofanana teknika. Mila fanavaozana sy ampanarahana fenitra izy ireny hamaly ny filan’ny sehatr’asa amin’izao fotoana. Mikaondoha momba izany ny mpiara-miombon’antoka.

Nihaona tetsy Anosy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra miantsehatra eo amin’ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa, omaly. Nikaondoha mahakasika ny fampandrosoana ny fampianarana teknika any amin’ireo faritra iasan’izy ireo avy.
Tsotra ny fanampiana andrasana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, hoy ny minisitra Rasoloarisoa Marie Mar­celline.
Tsy afaka mandray mpianatra intsony ny ankamaroan’ireo sekoly teknika eto Madagasikara. Antitra loatra ny fotodrafitrasa ary maro ireo tsy azo ampiasaina akory aza. Ao koa ireo tsy manaraka ny fenitra ka ilana ny tohana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka.
Eo koa ny fanavaozana ny tolotra ara-piofanana mifanaraka amin’ny vanim-potoana sy ny sehatr’asa misy ankehitriny. Iaraha-mijery koa ny taranjam-piofanana hanaraka ny fenitra sy hifanindran-dalana amin’ny fivoaran’ny teknolojia sy ny zava-misy amin’ny sehatry ny asa ankehitriny.
Tsy vita eo no eo izany fa mandalo antanan-tohatra maro. Ilana ny tohana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka avokoa izany, hoy hatrany ny minisitra.
Misy faritra tena tsy andehanan’ny mpiara-miombon’antoka mihitsy toy ny any Atsimo Andrefana kanefa maro ny tanora mila fampiofanana any. Atao mifanaraka amin’ny zava-misy any amin’ny faritra ny tolotra ara-piofanana omena ireo tanora mba ho tena hamokatra sy hitondra fampandrosoana eny ifotony.
Tsy vitan’ny minisitera irery ny fiseharana amin’ireo faritra 23 sy distrika ao aminy fa tena ilaina ireo mpiara-miombon’antoka. Nanetsiketsika azy ireo ny minisitera. Tanora ny ankamaroan’ny Malagasy ary tena ambony ny tahan’ny tsy fananan’asa. Mila manao ezaka hanomezana fiofanana an’ireo tanora ny fanjakana. Tanjona amin’izany ny hahafahan’izy ireo mamorona asa ho an’ny tenany sy miasa any anatina orinasa ary mba hanana fivelomanana mari-pototra.

Tatiana A

Partager sur: