Fahendrena sy hasina maha Malagasy: Nankalazaina omaly ny santatry ny fanetsana

Ny rindra sy lamina ara-boajanahary, izay zary lasa fahendrena sy mpikolo ny sain’ny Malagasy, no najaina ka nivadika ho fomba. Izany no lovaina sy ataon’ireo taranaka aty aoriana, ho fanomezana hasina ny rehetra sy anton’ny fankalazana.

Notanterahina omaly, teny Mandriarika Ankazobe, ny lanonana ara-pomba malagasy nanaovana ny santatry ny fanetsana. Ireo faribolan’ny mpandala ny hasina sy ny fahendrena maha Malagasy niaraka tamin’ireo vahoaka tao an-toerana no nanatontosa izany. Notanterahina nandritra izany ny fiantsoana ilay Nahary sy ny fangataham-pitahiana. Teo ihany koa ny fitsofan-drano ireo masomboly. Ny andron’ny omaly, izay Alahamady 25 naninanan’ny volana Adimizana, na 17 oktobra 2024, no diavolana sy fenomanana izay fotoana fanombohana zavatra, araka ny rafitra voajanahary izay zary lasa fomba amam-panaon’ny Malagasy.
Ambohi-pihaonan’ny mpandala ny hasina sy ny fahendrena maha Malagasy teny Mandriarika Ankazobe. Tonga niatrika izany ireo mpampianatra mandova ny haikarok’ireo siantifika miantsehatra ho fanatsarana ny fiompiana sy ny fambolena, niaraka ta­min’ireo raiamandreny ara-drazana ary ny Gentlemen Farmer’s, izay mpikarakara ny lanonana. Ny volana izay fenomanana omaly tamin’ny 2 ora sy 28 minitra tolakandro, araka ny nambaran’ireo mpandala ny hasina sy ny fahendrena maha Malagasy. Anisan’ ireo mponina eto ambonin’ny tany manana fahendrena sy kolontsaina manaja ny rindra sy ny lamin’ny zavaboahary ny Mala­gasy. Ho an’ity santa-ketsa ity manokana, anisan’ny antony anaovana izany amin’izao fotoana fenomanana izao ny fifandraisan’ny volana sy ny zavamananaina ety ambonin’ny tany. Araka ny nambaran’ireo Zanakantitra dia miakatra ihany koa ny zavaboahary rehefa amin’ny fotoana sahala amin’izao. Ara-dalàna sy ma­naraka ny lamina sy rindran’ny zavaboahary tsara, araka izany, ny fitombo sy fivoaran’ireo ketsa natsatoka tamin’io fotoana io.

Mihavery ny hasina sy fahendrena
Ireo mpamboly sy mpiompy sisa no maro anisa amin’ny fanajana izany lamina ara-boajanahary izany. Voaloton’ny hoe fanompoan-tsampy ny Malagasy amin’ny fanatanterahana ny lamina ara-boajanahary ka lasa miala amin’izany, izay anisan’ny fototry ny fiainan’ny zavaboahary rehetra. “Anisan’ny mampikoroso fahana ny fiainan’ny Malagasy ny tsy fanajana izany rindra sy lamina ara-boajanahary izany. Lamina izay anisan’ny fototra iorenan’ny fiainan’ny olombelona sy ny zavaboahary rehetra eto ambonin’ny tany. Anisan’ny antony hanaovana izao fankalazana izao ihany koa, araka izany, ny hamerenana ny hasina amin’ny tokony ho izy”, hoy i Mena Manankasina, anisan’ireo mpandala ny fahendrena sy hasina.

Lin

Partager sur: