Mbola mahafaty olona maro ny fiparitahana karazana valanaretina eto Madagasikara. Mampitombo ireo manam-pahaizana afaka hiatrika izany eny an-kianja ny fanjakana. Nanolotra fitaovana enti-miasa ihany koa ny COI, ahafahana mifehy ara-potoana ny valanaretina mba tsy handripaka olona.
Namatsy fitaovana ara-pahasalamana hifehezana ny karazana valanaretina misy eto Madagasikara ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), omaly, tetsy amin’ny LA2M, izay notarihin’ny sekretera jeneraly, Razafindravahy Edgard.
Fitaovana ho ampiasain’ireo mpiantsehatra ifotony eny an-kianja, hifehezana ny tsy hiparitahan’ny valanaretina, ireo natolotra, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Randriamanantany Zely.
Nahitana moto sy kojakoja fanaovana fitiliana sy fakana kasinga hanatanterahina izany, miaraka amin’ny ordinateur sy tablette, hahafahana manangona ny antontanisa, hanamorana ny tatitra sy ny fanairana ihany koa.
Tamin’ny alalan’ny tambajotra Sega-One Health, ao amin’ny COI, no nahafahana nanolotra ireo fitaovana arifomba ho an’ny fahasalaman ireo.
Efa mitentina 5 miliara Ar ny tetibidin’ireo fitaovana avy amin’ny tambajotra Sega-One Health, hanamafisana ny fifehezana ny fiparitahan’ny valanaretina. Eo koa ny hanohanana ny sehatry ny fahasalamana ho an’i Madagasikara.
Miaraka amin’ny tohana ara-piofanana ho an’ireo olona hampiasa ny fitaovana izany mba ho tena fitaovana mahomby sy hitondra vokatra ho an’ny fahasalamam-bahoaka.
Manam-pahaizana momba
ny valanaretina miisa 30
Omaly ihany koa no namoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo andiana manam-pahaizana manokana momba ny valanaretina miisa 30 hanampy ireo efa am-perinasa. Niofana nandritra ny 13 herinandro izy ireo. Andiany Atrika ireto navoaka ireto ary hiasa eny anivon’ny distrika, hifehy ny valanaretina. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny INSPC tamin’ny fampiofanana azy ireo.
Efa 150 amin’izao fotoana ireo nahavita fiofanana teto Madagasikara mahakasika ny fifehezana ny valanaretina eny an-kianja, raha ny fanazavana nentin’ny Dr Manuella Christopher, tale misahana ny fanaraha-maso ny areti-mifindra. Mahatratra 257 kosa izany aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, araka ny tatitry ny COI.
Teo ihany koa anefa ny fanofanana mpiasan’ny fahasalamana maherin’ny 1 000 miantsehatra amin’ny fahasalaman’ny biby, ny fitiliana ny tsimokaretina sy ny fanaraha-maso ny fahasalamana eny ifotony…
Olona hiasa eny an-kianja, hiatrika ireo valanaretina izay mety hitranga eto amin’ny firenena, ireo 30 mianadahy navoaka ireo. Ny fahaizan’izy ireo manao fanadihadiana sy miatrika izany no tena ilana azy ireo eny ifotony. Fanaraha-maso sy fandefasana ny fanairana, fakana ny tatitra mahakasika ny aretina mety ho lasa valanaretina.
Tsy ho an’ny fahasalaman’ny olona ihany fa eo koa ny aretina azo avy amin’ny biby izay mahatonga ny 75% ny aretina mpahazo ny olombelona.
Tatiana A