Vakinankaratra: nizarana tehina fotsy ireo olona jamba

Nomarihina tao Vakinan­karatra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tehina fotsy, omaly. Nanatanteraka izany niaraka tamin’ny Federasion’ ny olona manana fahasembanana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie.
Lohahevitra novoizina ny “Fampananan’asa ny olona jamba izay mitaky fandraisana andraikitry ny tsirairay ho amin’ny fampandrosoana mampiaty ».
Zava-dehibe ny fiahiana ireo olona manana olana ara-pahitana. Satria, manampy azy ireo hiatrika fiainana sy hioitra ary hifanomezana fankaherezana azy ireo ny fihaonana aminy.
Mikarakara ny olona marefo ny minisitera ka anisan’izany ireo manana fahasembanana ara-pahitana.
Notolorana tehina fotsy 60 ny Federasionin’ny olona ma­nana fahasembanana, izay hotsinjarana amin’ireo fikambanana mila izany. Marihina fa manana toby fiofanana izy ireo ahafahany manana diplaoma ho an’ireo mbola mianatra.
Nitondra tantsoroka, nahitana fehezan-karona misy vary, menaka, savony, ronono ihany koa ny minisitra. Ankoatra izany, ny fotoana nandraisana ny hetaheta ahafahana manohana ny fikambanana.

Tatiana A

Partager sur: