Anosibe-firaisana faha-IV: maniry hiofana amin’ny karazana asa marolafy ny tanora

Taorian’ny teny Isotry, nahazo ny anjara koa ireo mponin’Anosibe fizarana ny hetahetany amin’ny fiofanana tiany hatao. Marolafy ny fiofanana amin’ny sehatrasa fivelomana irin’izy ireo hotanterahina.

Nitohy teny Anosibe indray ny andiany faharoa amin’ny hetsika “Fijery hafa” notanterahin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, izay tarihin’ ny minisitra Rasoloarisoa marie Marcelline.
Tanàna be olona sady maro fianakaviana sahirana eny an-toerana ka izay no antony nanaovana ny hetsika teny an-toerana. Fanomezana fampiofanana tsy manavaka, natao ho an’ny rehetra, no tanjon’ny “Fijery Hafa”.
Eo no hamohazana ny talenta sy ny fahaiza-manaon’ny tsirairay. Mety misy karazana asa vaovao hipoitra eny anivon’ny fiarahamonina ka tiana hiofanana bebe kokoa.
Hangonina ny hetahetany sy ny tiany hatao ary hotsinjaraina ny fanatanterahana izany, ahafahan’ny rehetra misitraka azy.
Kendrena ny hifehezan’ny olona miasa izany asa ataony izany, hananany fivelomana sy tsy ianteherany amin’olona.
Fotoana hampahafantarana ny olona koa fa misy ny tolotra avy amin’ny fanjakana ho an’ny rehetra dia ny fampiofanana ahafahana miotra amin’ny fiainana. Na manana diplaoma na tsy manana, na mahay miteny vahiny na tsia, misokatra ho an’ny rehetra izany.
Hamaranana ny hetsika eto Analamanga ny fampiofanana faobe hatao ao amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina, ny 24 oktobra izao. Fiofanana manao savony sy labozia ary fitantanana ny tetikasa no hatao amin’izany.
Misokatra ho an’ny rehetra ary fihariana vaovao mbola malalaka sy azo idirana amin’izao fotoana ireo hatao. Midadasika ny tsenan’ny savony sy ny labozia izay ilain’ny olona andavanandro eny fa na ny eto an-drenivohitra aza, indrindra amin’ireo fotoana maha tapaka ny jiro. Aorian’izay, hitety ny faritra 23 ny minisitera, hitondra ny “Fijery hafa”.

Tatiana A

Partager sur: