Rano tsy madio: Mirongatra ny aretin-kibo

Anisan’ny aretina mpahazo ny ankamaroan’ny olona amin’izao fotoana izao, tato anatin’ity volana oktobra ity, ny aretin-kibo antsoina hoe: « gastro-entérite », raha ny fanazavan’ny mpitsabo iray etsy Analakely nanontaniana. Aretina mahazo ny tsinay sy ny vavony ary azo avy amin’ny fisian’ny viriosy sy katsentsitra izy io, amin’ny ankapobeny. Antony mahatonga izany ny fampiasana rano tsy voadio tsara sy mitahiry ny otrikaretina, raha ny fanazavan’ny mpitsabo hatrany. Miseho amin’ny endriny maro ny aretina amin’ny ankapobeny, toy ny fivalanana matetika, fandoavana, fanaviana ary fanaintainana amin’ny vanony na ny kibo sy ny maro hafa. Anisan’ny mateti-piseho ny fivalanana matetika ka antony hanatonan’ny olona mpitsabo. Miovaova arakaraka ny tanjaky ny hery fiarovan’ny olona anefa ny fisehon’ny aretina, hoy hatrany ny mpitsabo. Lasa mahatonga fahasarotana eo amin’ny vatana izy io raha toa ka tsy voatsabo ara-dalàna. Tsara raha manatona toeram-pitsaboana avy hatrany raha toa mahita zavatra hafahafa miseho amin’ny vatana, indrindra ho an’ny zaza sy ny ankizy. Mba tsy hahatonga ny olona iray ho tratran’ny fahaverezan-drano be loatra noho ny fivalanana sy fandoavana. Marihina fa mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana amin’ny maloto navoakan’ny marary ny aretina. Ahazoana ny aretina ihany koa ny fihinanana sakafo na ny fisotroana rano mitondra otrikaretina avy amin’ny marary nefa tsy voadio. Entaninna ihany koa ny olona, hitandrina ny fihinana ireo karazam-boankazo hohanina manta amin’izao fotoana izao. Nomarihan’ny mpitsabo hatrany fa ilaina sasana tsara izy ireny vao hohanina. Mba hisirohana amin’ny fahatongavan’ny aretina mety hahazo ny olona.

Mino

Partager sur: