Madagascar 3M: maro ny fiangonana lasa mivaona amin’ny fitorian-teny

Hanatanteraka hetsika iraisam-pirenena amin’ny toriteny maneho ny hevitry ny Baiboly ny Madagascar 3M ny 6 ka hatramin’ny 9 novambra izao, eny By-Pass. Fotoana hampahatsiahivana ireo mpitondra fivavahana sy mpiantsehatra amin’ny fitorian-teny mba hiainga amin’izay voalazan’ny Baiboly ary hanasinkasinana ny tenin’Andriamanitra.
Lohahevitra voizina ny “Fiangonana Salama ka ao anatin’izany no hanoritsoritana sy hampiverenana amin’ny fototra niaingana dia ny voalazan’ny Baiboly ihany.
Betsaka ny anaram-piangonana sy vondrom-bavaka, fiangonana zokiny sy zandriny, efa mivaona ka lasa fanararaotana sy fitadiavam-bola ilay fivavahana, izany indrindra no mahatonga anay hanao ny hetsika isaky ny 2 taona”, hoy ny pastora Ravoahangy Faly.
Betsaka ireo efa niala tamin’ny fahefan’ny tenin’Andria­manitra ka lasa fahazaram-piangonana sisa fa tsy tena mivoy ny fitorian-teny intsony no ataon’ny sasany.
Ao anatin’io 4 andro io no hianarana sy hampahafantarana indray ny mahakasika ny toriteny sy vavaka ary ny fahafoizana ho an’ny fiagonana salama.
Handray anjara mandritra ny hetsika i Matthew Spandler Davison, avy any Etazonia, hitondra ny fampianarana izay miresaka momba ny rafitry ny fiangonana sy ny ota ao am-piangonana.
Ireo mpitoriteny, mpitandrina, fikambanana mpitaiza tanora sy mampianatra ny tenin’ Andriamanitra amin’ny sehatra maro, araka izany, no hihaona eny By-Pass.

Tatiana A

Partager sur: