Fomba iray ampiasaina hampitana fahalalana amin’izao fotoana izao, ho an’ny fampianarana ambony, ny « cours en ligne » mikirakira ny teknolojia vaovao. Ho an’ny olona efa manana anton’asa mbola vonona ny hanitatra fahalalana amin’ny taranja iray manokana no misafidy azy. Mampiasa ny fampianarana « cours en ligne » ny University Reference eny Amoronakona, nanomboka ny taona 2023, nahazoana ny « habilitation » avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, hoy ny mpampianatra ny taranja Marketing, Bevenant Sariala, ny faran’ny herinandro teo. Sampam-pampianarana roa no azon’ny mpianatra na mpiasa hianarana: Management et géstion d’entreprises sy ny marketing et commerce international.
Enim-bolana ny faharetan’ny fianarana « en ligne », toy izay ihany koa ny fanadinana rehetra. Mampiavaka ny diplaoma omen’ny mpitantana ny oniversite ny lanjany iraisam-pirenena ka manan-kery hatrany ivelany raha hanohy fianarana na hitady asa.
Na fohy tsy toy ny mahazatra aza ny fotoana hianarana, voatazona ny kalitaon’ny fahalalana satria voafehy ny fotoana hitsinjarana ny fandaharam-pianarana, araka ny fanamarihan’ny mpampianatra.
Vonjy