Fandaharanasa Kix : hanatsarana ny politikan’ny fanabeazana

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, ny fandaharanasa “Knowledge and Innovation eXchange” (Kix). Fandahara­nasa entina hanatsarana ny politikan’ny fanabeazana sy ny fomba fampianarana amin’ny alalan’ny fifampizarana fahalalana sy traikefa eo amin’ireo mpisehatry ny fanabeazana amin’ireo firenena mpisitraka izany, indrindra ireo firenena 68 mpikambana ao amin’ny GPE (partenariat mondial pour l’éducation) izay manohana ara-bola ny fanabeazana.

Natomboka ny taona 2019 ny Kix, hanampiana amin’ny fanavaozana ny rafi-panabeazana hitondra kalitao tsara ho an’ny fampianarana. Manana foibe efatra ny Kix ahazoana mifampizara fahalalana sy traikefa ka ny roa amin’ireo misehatra aty Afrika (Kix Afrika 21 sy Kix Afrika 19). Eo koa ny fampiharana ny vokatry ny fikarohana amin’ny fanamafisana ny ezaka natao amin’ny fanabeazana. Valo ny tetikasa nampiharina ka ny telo efa vita ny taona 2023 fa misy ampahany mbola mitohy amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fandaharanasa. Miompana amin’ny lohahevitra miralenta ny tetikasa izay manome lanja ny fampianarana niomerika ho an’ny zatovovavy.

Mifarimbona ao anatin’ny “Kix Afrika 21” ny AUF sy ny fivondronan’ny minisitry ny Fanabeazana aty Afrika (Confemen), ny OIF, izay so­loin’ny Ivontoerana misahana ny fanofanana sy ny fanabeazana ho an’ny firenena mampiasa ny teny frantsay (Ifef). Miorina any Dakar ity farany ary misahana firenena 21 ka anisany i Madagasikara.

Vonjy

Partager sur: