GFSI : hanampy amin’ny tsy fandriampahalemana

Tontosa ny sabotsy teo ny fanolorana faneva ho an’ireo holafy efatra sy sakelika iray eo anivon’ny Vondron-kery manokana vonjy taitra na ny Groupement des forces spéciales d’intervention (GFSI), izay feno herintaona no nisiany, eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Nanome voninahitra ny lanonana ny filohan’ny Repoblika sady lehibe fara tampon’ny Foloalindahy, Ra­joe­lina Andry, notronin’ny filohan’ny Antenimieram­pire­nena, i Tokely Justin, ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, ary ireo mpiara-miasa aminy. Notolorana ny brevet de mérite ny filoha Rajoelina Andry sy ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Hery fiarovana sy filaminana. Novola­volaina tao anatin’ny fanitsian-drafitry ny Tafika Malagasy ny GFSI satria ilaina amin’ireo ambana misy ankehitriny ity vondron-tafika ity. Amin’ny maha miaramila mpanao vy very ny ainy azy ireo, vonona mandrakariva amin’ny iraka rehetra, araka ny nambaran’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ka mijoro hatrany tsy hiraviravy tanana hitondra fandriampahalemana maharitra eto Madagasikara. Efa maro ireo asa nandraisan’ny GFSI anjara nandritra izay herintaona nisiany izay. « Nanampy tamin’ny fahazoana vokatra tsara nampihenana ny tahan’ny tsy fandriampahalemana izy ireo », hoy ny MFA. No­tsongaina avy amin’ny Tafika telo: an-tanety, an-dranomasina ary ana habakabaka ny miaramilan’ny GFSI. Manana ny fahaiza-manao rehetra amin’ny famitana iraka, toy ny ady amin’ny fakana an-keriny sy fandravana tambajotran-jiolahy mpanao asa ratsy. Notolorana ny « Brevet forces spéciales Apinga » ireo miaramila rehetra nahavita fiofanana.

Jean Claude

Partager sur: