Fianarantsoa: tratra ireo efa-dahy nangalatra zaza varira sy namono ny reniny

Ireto efa-dahy tratran’ny zandary ireto no niteraka ny raharaha fifandonana tao Ikongo momba ilay halatra zaza varira sy namono nahafaty ny reniny…

Tratra ihany! Voasam­botry ny zandary tao Fianarantsoa, omaly an­toandro, ireo efa-dahy tompon’antoka tamin’ilay halatra zaza varira sy namono nahafaty tamin’ny fomba feno habibiana ny renin’ilay zaza, ny 29 aogositra 2022. Ity raharaha ity no niteraka ny fifandonana tao Ikongo tamin’io fotoana io. Nambaran’ny tatitra nampitain’ny zandary fa samy monina ao amin’ny fo­kontany Amba­tolampy, kaominina ambanivohitra sy dist­rikan’Ikongo ry zalahy ireto. Voalazan’ny fampitam-baovaon’ny zandary koa fa ireto efa-dahy ireto no voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra zaza varira sy namono ny reniny ka saika niharan’ny fitsaram-bahoaka. Teo no nahatonga ny raharaha, ny 29 aogositra 2022, tao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ikongo. Tafatsoaka izy ireo nandritra ny korontana niseho tao an-toerana. Tsy nitsahatra nanao ny fikarohana ny teo anivon’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ikongo ka nahazo loharanom-baovao momba ny toerana misy ireto jiolahy ireto. Nametraka ny vela-pandrika rehetra zandary taorian’izay rehefa voamarina ny toerana nisy ny olon-dratsy. Hita tokoa, araka izany, ny toerana nisy azy ireo ka noraisim-potsiny. Nanamafy hatrany ny zandarimaria fa tsy mitsahatra mikaroka loharanom-baovao amin’ny fandikan-dalàna izy ireo mba hamerenana ny fitokisan’ny vahoaka.

Jean Claude

Partager sur: