Minisitry ny Fampianarana teknika : nidina ifotony tany Atsimo Andrefana

Nidina ifotony tany Toliara, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Hijery ny fanatsarana azo entina ho fanampiana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa no fotodiany sy ny ekipa tany an-toerana. Efa nisy ny dinika niarahana tamin’ny tomponandraikitra any ifotony momba ny fanamafisana ny rafitra sy ny olona hisahana ny asa rehetra. Nitsidika ireo toeram-panofanana sy sekoly teknika ao Toliara izy ary namantatra ny zava-misy momba ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana ampiasaina. “Hita fa efa antitra ireo rehetra ireo ary napetraka ny fiaraha-miasa amin’ny mpiray ombon’antoka hanoloana ny tafon’ny efitrano fianarana”, hoy ny minisitra nandritra ny fitsidihana nataony. Mbola betsaka ny asa fanatsarana tokony hatao ka miantso ny mpiara-miasa izy hanohana amin’ny fitaovana sy ny vola entina manavao ny fotodrafitrasa.
Tanjona ny hanome asa sahaza ireo tanora sy olona nisitraka fanofanana samihafa notanterahin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika.
Taorian’ny fitsidihana, nitafa tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny fitaleavam-paritra ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny minisitra, hijerena ny asa maika tokony hirosoana.

Vonjy

Partager sur: