INDRAY MIJERY

« Accumulateurs » 300 isan’andro no tsinjarain’ny tomponandraikitry ny fampitaovana eo anivon’ny sampandraharaham-pahasalaman’ny distrika Antsirabe I ho an’ny CSB efatra nandritra ny hetsika fanaovam-baksiny faobe, ny herinandro lasa teo. Natokana hitazona ny maripanan’ny vaksiny tsy hiova ny io fitaovana io, atao ao anaty vata misy ny vaksiny.
+2°C hatraminny +8°C ny maripana tokony hitehirizana ny vaksiny hiarovana amin’ny kitrotro na VAR, ora enina ao aorian’ny nisokafan’ny tavoahangy iray no azo ampiasana azy ary mahavita zaza 10 ny tavoahangim-baksiny iray. 28 andro kosa no azo itehirizana ny vaksiny miaro amin’ny lefakozatra ary misy fatra 20 ny tavoahangy iray.
Notanterahina ny herinandro teo ny fanombohana ny tetikasa fitaterana fanafody amin’ny alalan’ny drône ho an’ny distrikan’i Sakaraha, fokontany Antsokay, faritra Atsimo Andrefana. Fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny PSI Madagascar ary ny mpamatsy vola “Gavi l’Alliance du Vaccin”no nahatanterahana izany. Nisy avy hatrany ny fanehoana sidina izay nanaterana vaksiny 540 doses tany amin’ny CSB Ankilibe Lamatihy.
Hiditra amin’ny “digitalisation” ny CUA amin’ny fikarakarana antontan-taratasy, ho fanamorana ny tolotra omena ny mponina. Nahazo fiofanana avy amin’ny tetikasa Prodigy ireo mpiandraikitra izany asa izany, avy eo anivon’ny boriborintany 6, eny amin’ny fokontany ary ireo fikambanana voakasik’izany. Natsangana, nandritra izany, ny kaomity miady amin’ny herisetra sy mampahatsiahy ny zon’ny isam-batan’olona.

Partager sur: