ENSP Ivato : nahazo tohana avy amin’ny firenena Sinoa

Notoloran’ny firenena Sinoa fitaovana ny polisim-pirenena, ka eny amin’ny sekolim-pirenena ambony ho an’ny polisy (ENSP) Ivato no nametrahana izany.

Nitsidika ny sekoly izy ireo, omaly, nijery ny hampiasana ireto fitaovana ireto. Nisy, araka izany, ny fampitaovana ny laboratoara ara-pitsarana elektronika ka delegasiona Sinoa avy amin’
ny minisiteran’ny Varotra, no­tarihin’ny tale jeneraly lefitry ny sampandraharahan’ny fi­tan­tanam-bola, i Liang Haofei, no nitsidika ny ENSP Ivato, tamin’io omaly io. Ny tale je­neralin’ny polisim-pirenena, ny Contrô­leur général de police Rakotozanany Dany Marius, kosa no nitarika ny delegasiona avy amin’ny polisim-pirenena. Tanjona amin’izao ny fanombanana ny vokatry ny tetikasa fanampiana, ny fijerena ny toerana sy ny fitaovana napetraka ary ny fifampidinihana momba ny fiaraha-miasa amin’ny ho avy eo amin’ny firenena Sinoa sy ny polisim-pirenena. Fitaovana toy ny famerenana angona, solosaina, fitaovana iray ara-pitsarana ho an’ny toerana nanaovana fanadihadiana ary rindrambaiko iray ho an’ny fanadihadiana no natolotry ny firenena Sinoa ho an’ny polisy. « Natao hampitomboana ny fahafaha-manaon’ny polisim-pirenena amin’ny fanadihadiana ireto fitaovana ireto, mba hahafahana miatrika amim-pahombiazana ny heloka bevava », hoy i Liang Haofei. Hisy, araka izany, ny fampiofanana mandritra ny 15 andro omen’ireo sinoa manampahaizana amin’ny fikirakirana izany, mba hampianarana ireo mpiasa ao amin’ny polisim-pirenena hampiasa ny fitaovana.

Jean Claude

Partager sur: