Sampandraharan’ny fahasalamana : nankalaza ny fetin’i Masindahy Lioka ny miaramila

Toy ny fanao isan-taona, nankalaza ny fetin’i Masin­dahy Lioka mpiahy azy ireo ny mpi­antsehatra eo amin’ny tontolon’ny fitsaboana eo anivon’ny Foloalindahy Malaga­sy, ny zoma teo. Nomarihina tamin’ny hetsika maro izany ka natomboka tamin’ny fa­nompoam-pivavahana iraisam-pinoana tao amin’ny Chapelle Militaire Ampahibe. Niara-nivavaka ta­min’izany ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga eo ani­von’ny minisitera sy ny zandarimariam-pirenena, notarihin’ny Sekretera jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy, ny Jly Andria­ma­simanana William Michel. Teo koa ny mpisehatra amin’ny fitsaboana eo anivon’ny miaramila, notarihin’ny miaramila dokotera, ny Jly Manantsoa Yves, sy ireo mpi­ara-miasa aminy. Fi­saorana an’Andriama­nitra sy fangataham-pitahiana no natao tao amin’ny Chapelle ka tao anatin’izany no nivoahan’ny hafatra avy amin’ny toriteny nalaina tao amin’ny Filazan­tsaran’i Lioka 10: 34-37. Nison­ga­dina tamin’izany ny fitondrantenan’ilay samaritana tsara fanahy izay namonjy sy nitsabo am-pitiavana ny tsy mitovy fiaviana aminy. Nisy ny lalao ara-panatanjahantena natao tao amin’ny Kianja filalaovam-baolina ao Betongolo, taorian’izay.

Jean Claude

Partager sur: