WWF: laharam-pahamehana ny fiarovana ny zavaboahary

Ankehitriny , miatrika krizy momba ny tontolo iainana roa ny tany , dia ny fiovan’ny toetr’andro sy fahasimban’ny zavaboahary .

Tokony handray fepetra hiaro ny planeta tany isika noho ny loza efa mihatra amin’izao fotoana. Mila arovana farafahakeliny ny 30 % ny tany alohan’ny taona 2030, hiarovana ny zavaboahary ao aminy.
Araka ny fanadihadiana nataon’ny WWF amin’ny fi­hetsiky ny zanak’olombelona amin’ny voahary, 75 % amin’ny olona mihevitra fa tokony harovana ny natiora sy voahary eo aminy fa laharam-pahamehana izany eo amin’ny fiainana ary 68 % maniry fa tokony harovana ireo ho an’ ny taranaka ho avy.
Tsy maintsy handraisan’ny rehetra fepetra ny zavaboahary satria avy amin’io ny ahafahana miaina sy ahazoana singa tena ilaina amin’ny fiainana, toy ny oxygène, rano, sakafo. Ankehitriny tandindonin-doza ireo rehetra ireo
Niara-nanaiky ny fitondram-panjakana maneran-tany, ny 7 hatramin’ny 19 de­sambra teo tany Kanada, ho fiarovana izao tontolo izao. Firenena 196 nifantoka tamin’io fiarovana ny tontolo iainana io (COP 15).

Tsy afaka miasa
Tsy zava-baovao loatra anefa izay fa saika resaka ambony latabatra avokoa. Potika hatrany ny fahasalamana sy ny toekarena raha tsy misy fepetra tena ampiharina amin’ny tany maro, toy ny eto Madagasikara. Ohatra raha mihena ny rano, tsy ampy afaka manodina milina manome herinaratra. Betsaka ny voka-dratsin’izay, tsy ahafahana miasa ara-dalàna.

Ndrina

Partager sur: