Dinika tetsy Ankatso: vahaina ny olan’ ny fahasamihafana

Natomboka, omaly, tetsy amin’ny Oniversiten’ An­ta­nanarivo, ny dinidinika ho an’ny vehivavy manolo-tena eto Madagasikara. Dinika mikendry ny hamahana ny olan’ny tsy fitoviana eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fanabeazana ary ny fandraisana anjaran’ny vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina. Tetikasa niarahana tamin’ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina, ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina ary ny Oniversiten’Antananarivo. Nifantoka tamin’ny: « ny toeran’ny tovovavy sy ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana », nentin’ny Pr Randriatavy Lova, mpampianatra mahakasika ny Droit public eo anivon’ny Fakiolten’ny lalàna sy ny siansa politika, ny dinika. «Tsy mbola voahaja ny zon’ny vehivavy raha ny zava-misy, tsy eto Madagasikara ihany fa maneran-tany », hoy i Roland Kobia, Masoivohon’ny Vondrona eoropeanina eto Madagascar. Eo ny fanjakan’ny tsy fitoviana amin’ny lahy sy ny vavy. Nambarany fa misakana ny firenena iray tsy handroso ary endrika iray mampiseho ny tsy fanajana ny zon’olombelona ny fivoizana ny tsy fitoviana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Nanasana mpianatra 30 avy amin’ny Oniversiten’ Antananarivo ny fihaonana. « Nisafidy ny oniversite izahay satria betsaka tanora mpianatra eny an-toerana”, hoy hatrany izy. Nambarany fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny mpanapa-kevitra politika, ny fiaraha-miasa amin’ny tanora, satria mpanapa-kevitra politika ho an’ny hoavy izy ireny. Ezaka ataon’izy ireo ny hanome tanana sy hiady amin’izany amin’ny alalan’ny fandaharanasa maro samihafa.

Mino

Partager sur: