Faritra Amoron’i Mania : Betsaka ny olona voan’ny bilarziozy

Ao anatin’ny vanim-potoan’ny maintany, manomboka ny volana aogositra hatramin’ny oktobra, ny fotoan’ny ady amin’ ny fangerena sy famaniana ankalamanjana, fototry ny aretina bilarziozy na takilodrano. Entanina ny olona hampitsahatra izany satria rehefa tonga ny rotsakorana, kaohin’ny ria­ka ny tay sy ny fivalanan-drano ka lasa eny amin’ny renirano, tanimbary ary lakandrano samihafa ampiasain’ny daholobe.
Nanao fanentanana tany Amoron’i Mania ny ekipa avy ao amin’ny Madagascar Insti­tut For Vaccin Research, izay ivontoerana fiaraha-miasan’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny International Vaccine Institute IVI, tarihin’ny Pr Rakotozan­drindrainy Raphaël. Nosafi­diana ny faritra satria 85% ny mponina dia mpamboly avokoa ka miasa tanimbary, manetsa, mihosy, mijinja vary. Manasa lamba kosa ireo mipetraka amin’ny tanàn-dehibe ary mikirakira rano matetika. Teo aloha, miandry andro maromaro vao fantatra ny vokatry ny fitiliana ny aretina bilarziozy. Taorian’ny taona 2020, noho ny voka-pikarohana nentin’ny Malagasy mpikaroka, nampiasana ny Test de diagnostic rapide (TDR). Ny fivalanan-drano no tiliana ka 25 minitra dia mivoaka ny valiny. Vokatry ny fivoarana misy, marisika ny olona anao fitiliana.
Olona 1 500 (mpanasa lamba, tantsaha, mpiasam-panjakana…) tamin’ny kaominina roa, tao Andina sy Ambositra, no notiliana ka fantatra fa voan’ny bilarziozy avokoa ny 70%, ho an’ny fitiliana voalohany. Mitovy amin’izay koa ny vokatra ho an’ny fitiliana andiany faharoa.
Nomen’ny Madagascar Institut for Vaccin Research fanafody maimaimpoana avy hatrany ireo voatily fa miabo ny valiny rehefa nanaiky hitsabo tena.

Vonjy

Partager sur: